REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana

——————————

HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-640 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ny fombafomba fampiharana ny fepetra sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-641 tamin’ny 29 jona 2018 hanaikana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mialoha ny fotoana;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-642 tamin’ny 29 jona 2018 mamaritra ny modelin’ny singan-fitoriana sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidiana rehetra amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mialoha ny fotoana ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-643 tamin’ny 29 jona 2018, mametra ny habetsahan’ny fandraisana anjaran’ny mpilatsa-kofidiana amin’ny sara noraiketin’ny Fanjakana ho amin’ny fifidianana ny Filoham-pirenena mialoha ny fotoana ary koa ny fombafomba fanonerana sy famerenam-bola ;
  • Ny didim-panjakana laharana faha 2018-644 tamin’ny 29 jona 2018, mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana ny Filoham-pirenena ;

Araka ireto fanapahana manaraka ireto:

  • Ny fanapahana laharana faha 26-HCC/D3 tamin’ny 22 aogositra 2018, mametra ny lisitra raikitry ny mpilatsa-kofidiana amin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filoham-pirenena hatao ny 7 novambra 2018 ;
  • Ny fanapahana laharana faha 017/CENI/D/2018 tamin’ny 28 aogositra 2018 mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ;
  • Ny fanapahana laharana faha 018/CENI/D/2018 tamin’ny 3 septambra 2018, novàn’ny fanapahana laharana faha 027/CENI/D/2018 mametra ny foiben-toerana sy ny firafitry ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;

Araka ireto antontan-taratasy ireto:

  • Ny antontan-taratasim-pifidianana sy ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Ny fitoriana mikasika ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018, nalefa taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO :

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny andininy faha 116.5, izy no « manambara ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, solombavambahoaka ary ny fakàna hevitra amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka» ;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 200, andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bajoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ;
  1. Ary ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia manampy fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra» ;
  1. Satria ny andininy faha 61 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 voalaza etsy ambony dia manambara fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manao ny fanambarana ôfisialy ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny fe-potoana sivy (9) andro manomboka ny vaninandro namoahan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana ny voka-pifidianana vonjimaika”;
  1. Ary araka ny fanapahana laharana faha 032/CENI/D/2018 tamin’ny 17 novambra 2018, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana dia namarana sy namoaka ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018; koa ny fanambarana ôfisialy ny vokatra raikitra atao izao andron’ny 28 novambra 2018 izao dia tafiditra tsara anatin’ny fe-potoana voalaza;

Ny amin’ny tsy fahazoanana mandray ny fitoriana sasantsasany

  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 202 andàlana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008, “Ny fitakiana ny maha ara-dalàna ny raharaham-pifidianana dia misokatra ny ampitson’ny andro anaovana ny latsabato hatramin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana”; ary araka ny andininy faha 66 andàlana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009, ny fe-potoana hanaovana fampakaran-draharaha momba ny fifanolanana mikasika ny voka-pifidianana  “dia ferana ho roa (2) andro aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ataon’ny Vaomieram-panjakana Mahaleotena misahana ny fifidianana”; ka ny fe-potoana fampakaran-draharaha eto amin’ny FItsarana aminà raharam-pifidianana dia isaina andro feno, ho tombontsoan’ny mpitory;
  1. Satria ny andro feno dia isaina andro iray, maharitra 0 hatramin’ny 24 ora ; koa satria ny asabotsy 17 novambra 2018 no nanambarana tamin’ny fomba ôfisialy ny vokatra vonjimaikan’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, manomboka ny alatsinaina 19 novambra 2018 izany io fe-potoana io ary mifarana ny talata 20 novambra 2018 misasakalina;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 11 novambra 2018, ny “Collectif des candidats à l’élection présidentielle 2018” dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hiandry ny valin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo miaraka amin’ny Vaomiram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana, mba tsy hisian’ny ahiahy mikasika hosoka, indrindra amin’ny biletà tokana, mialoha ny hamoahana ny vokatra raikitra;
  1. Ka ny mpanao ny fangatahana, izay miantehitra amin’izay voalazan’ny andininy faha 200 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka, dia mihevitra fa ny fangatahana nataony, noho ny tahotra sao misy ny namilivily ny latsabato nandritra ny fifidianana natao ny 7 novambra 2018 iny, dia tafiditra ao amin’ny fahefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 16 novambra 2018 nalefa taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ireto kandidà miisa 13 amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novembre 2018 voalaza anarana manaraka ireto: Atoa Andriantseheno Marcellin, Atoa Imbeh Serge Jovial, Atoa Rasolofonjoa Haingo, Atoa Tabera Randriamanantsoa, Rtoa Bezaza Marie Eliana, Atoa Ratsietison Jean Jacques, Rtoa Ramaroson Arlette, Atoa Rakotomamonjy Jean Max, Atoa André Mailhol, Atoa Rasolofonjatovo Falimampionona, Atoa Randriamampionona Joseph Martin, Atoa Rajaonarimampianina R. Hery Martial ary Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier, dia mangataka ny Fitsarana etoana hanome baiko:
  • Hampisehoana ireo biletà tokana tsy nampiasaina tamin’ny latsabato;
  • hampitahana ny biletà tokana amin’ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI;
  • hanafoanana ny fifidianana sy ny latsabato tamin’ny 7 novambra 2018;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 14 novambra 2018 napetraky Maître Emeralda Nasy Mercher tao amin’ny firaketan-tsoratry ny Fitsarana Avo momba ny Lalmpanorenana, ny kandida laharana faha 22 Solonandrasana Olivier Jocelyn Mahafaly dia mangataka ny Fitsarana etoana hamerina hanisa ny vato tao amin’ny birao fandatsaham-bato ao Tsaramandroso (Antsiranana), Centre Manga (Mahajanga), Antananarivo IV, Ambodirano Ivato (Ambohidratrimo) ary Ambanja, noho ny vato azon’ny mpitory tsy mifanaraka amin’ny tena isan’ny mpifidy;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 16 novambra 2018 napetraky ny mpisolovava azy tao amin’ny firaketan-draharaha, Atoa Andry Nirina Rajoelina, kandidà amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018, dia nangataka ny Fitsarana etoana hanafoana ny raharaham-pifidianana taminà birao fandatsaham-bato miisa 29 noho ny tsy fetezan-javatra hita tao;
  1. Satria ny mpanao fitoriana dia milaza fa nisy ny tsy ara-dalàna nandritra ny fifidianana ka heveriny fa miteraka fanafoanana ny raharaham-pifidianana taminà birao fandatsaham-bato maromaro izany; ary ny andininy faha 35 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 anaovana lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia milaza fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manafoana ny raharaham-pifidianana tao amin’iro birao fandatsaham-bato voakasik’izany raha voaporofo fa ny zava-nitranga na ny raharaha toherina dia nampivaona ny fandatsaham-bato amin’ny hitsiny sy nanova ny hevitra nokendren’ny mpifidy tamin’ny latsa-bato”; ankoatra izany, ny andininy faha 65 andàlana faha 2 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, dia milaza fa ny Fitsarana etoana ihany “no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra”; koa lazaina izany fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no Fitsarana mahefa momba ny fifidianana;
  1. Satria ny fangatahana dia mikasika ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 7 novambra 2018 ary ny fitarainana dia milaza ny fahasarotan’ny fampiasana ny zo handatsa-bato ho an’ny mpifidy sasantsasany noho ny tsy fetezan-javatra mikasika ny kara-pifidianana, ny fisiana karatra tsy ara-dalàna, ny fizarana vola mandritra ny fampielezan-kevitra; ary tsy fantatra izay niafaran’ny biletà tokana tsy nampiasaina nefa tena ilaina ny hijerena azy ireny mba tsy hisian’ny ahiahy; ka ireo rehetra ireo dia tafiditra ao amin’ny fifanolanana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena izay andraikitry ny Fitsarana etoana, ho fampiarana ny andininy faha 116 amin’ny Lalàmpanorenana, andininy faha 200 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, andininy faha 65 andàlana voalohany sy faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika;
  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 16 novambra 2018, Atoa Andry Nirina Rajoelina, araka ny andininy faha 233 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanafoana ny vato azon’ny kandidà laharana faha 25 taminà birao fandatsaham-bato telo tao amin’ny EPP Ambohitsaratelo: laharana 140 412 030 101 salle 1, 140 412 030 102 salle 2, 140 412 030 103 salle 3, nandritra ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018, noho ny fisian’ny fividianana vato nandritra ny fifidianana;
  1. Satria ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia milaza ao amin’ny andàlana voalohany fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato”; ka ny fividianana vato dia anisan’ny heloka manakantsakana ny fahafahana sy ny fahamarinan’ny latsabato, koa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatrany no mahefa ny amin’izany;
  1. Satria ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia milaza mazava fa “Ny fitoriana izay atao roa sosona tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana am-boky, mba tsy hahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy (…) ny kopia voamarina ara-dalàna amin’ny kara-pifidianana nomena maimaimpoana na ny fanamarinana nomen’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra, araka ny fisehoan-javatra (…)”; koa ny tsy fampiarahana io kopian’ny kara-pifidianan’ny mpanao fangatahana io dia mitarika ny tsy fahazoana mandray ny fangatahana;
  1. Satria momba ilay fitoriana voalaza eo amin’ny Andàlana faha 10, tsy voalaza mazava ny anaran’ny mpitory, tsy misy sonia ny fitoriana ary tsy ao ny kopian’ny kara-pifidianan’Atoa isany André Mailhol, Randriamampionona Joseph Martin ary Mahafaly Solonandrasana Olivier; koa tsy voahaja izany ny fepetran-dalàna voalaza etsy ambony; ka araka izany, tsy maintsy lazaina fa tsy azo raisina ny fitoriana;
  1. Satria mialoha ny fifidianana, ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, miaraka amin’ny Vaomieram-panjakana Mahaleotena misahana ny fifidianana, dia nanomana atrikasa manerana ny renivohi-paritany rehetra, hampahafantarana sy hanentanana ny momba ny fifanolanana eo amin’ny raharaham-pifidianana; ary nisy boky mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana natotan’ny Fitsarana etoana ary naparitaka; koa natao izay faran’izay tratra mba ho tari-dàlana ho an’ireo hanao fitoriana amin’ny raharaham-pifidianana; koa ny tsy fanajana ny paika tokony arahana dia mitarika ny tsy fahazoana mandray ny fitoriana;  noho izany, ny tsy fisian’ny kopian’ny kara-pifidianan’ny mpitory na fanamarinana avy amin’ny CENI, dia mitarika ny tsy fahazoana mandray ireo fitoriana rehetra voalaza etsy aloha;

Ny amin’ny fangatahana fanafoanana ny  latsabato manontolo 

  1. Satria araka ny fitoriana tamin’ny 17 novambra 2018, Atoa Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, kandidà tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanambara fa foana ny raharaham-pifidianana fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018 manerana ny tanim-pirenena, miaraka amin’izay vokany araka ny lalàna;
  1. Satria ny fitoriana dia mifototra amin’ny fanakianana ny raharaham-pifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 7 novambra 2018; ny fanakianana dia mahakasika ny zavatra tsy ara-dalàna hita mialoha sy nandritra ny fampielezan-kevitra, ny ankatoka sy ny andron’ny fifidianana; ka ny tanjon’ny fitoriana dia ny fanafoanana ny raharaham-pifidianana fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika; koa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, amin’ny maha fitsarana misahana ny fifidianana azy, dia manana fahefana hitsara, araka ny andininy faha 116 andàlana faha 4 amin’ny Lalàmpanorenana, andininy faha 27 sy 35 amin’ny hitsivolana laharana faha 2001-003 anaovana lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, andininy faha 65 andàlana voalohany sy faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika;
  1. Satria ny fitoriana dia avy amin’Atoa Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial, kandidà amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika araka ny Fanapahana laharana faha 26-HCC/D3 tamin’ny 22 aogositra 2018 amerana ny lisitra raikitry ny kandidà amin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filohan’ny Repioblika natao ny 7 novambra 2018, ary izy dia nandatsa-bato tao amin’ny fari-pifidianana nisy azy; ka ny fepetran-dalàna mikasika ny paika arahana amin’ny fifanolanana ara-pifidianana, na ny fombafomba na ny fe-potoana voalazan’ny andininy faha 202 andàlana voalohany sy faharoa ary faha efatra, andininy faha 203 sy 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia tanteraka koa azo raisina izany ny fitoriana;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 65 andàlana faharoa amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny Fitsarana etoana “irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra”; ka ny zavatra lazaina dia mikasika fandikan-dalàna, indrindra ny tsy fitovian’ny samy kandidà, ny nampivaona ny fandatsaham-bato amin’ny hitsiny sy ny fanovana ny hevitra nokendren’ny mpifidy tamin’ny latsabato; koa raha manana endrika fandikan-dalàna ny zavatra sasany ka maha tomponandraikitra izay nanao izany eo anatrehan’ny lalàna ady heloka (hosoka aminà biletà, fizarana vola, fitsapan-kevitra ny andron’ny fifidianana), misy tranga hafa tsy azo heverina ho heloka fa vokatry ny tsirambina, tsy fahatakaran-javatra na fanomanana tsy lavorary;
  1. Satria na manao ahoana na manao ahoana, raha raisina tsirairay ireo tsy fetezan-javatra voalaza sy hita ireo, dia heloka azo enjehina eo anatrehan’ny lalàna izy ireny; tsy fetezan-javatra mitsitokatokana izy ireny fa tsy mahasahana ny firenena manontolo na dia tsy azo hodian-tsy hita aza ny vokany araka ny lalàna eo amin’ny fari-pifidianana nisehoany; ka raha akambana ireny tsy fetezan-javatra sy tsy fanarahan-dalàna ireny, na amin’ny habetsahany na amin’ny endrika isehoany, dia tsy antony hahafoana ny raharaham-pifidianana amin’ny ankapobeny;
  1. Satria amin’ny lalàna mikasika ny fifidianana, mba ahafoana ny latsabato manontolo eo amin’ny firenena, ny tsy fanarahan-dalàna hita dia tokony ho goavam-be ka mety hanova ny vokatry ny fifidianana; ka ny fanarahamaso mandeha tsy voizina ny fitanana an-tsoratra sy ny taratasy fanisana vato nataon’ny Fitsarana etoana dia tsy nahitana tsy fetezan-javatra makadiry; ankoatra izany, tsy nisy fanamarihana mikasika izany voasotra tao amin’ny ankamaroan’ny fitanana an-tsoratra, izay antontan-taratasim-pifidianana manana lanja mitovy lenta amin’ny lalàna; koa araka izany, tsy azo kianina ny fahamarinan’ny latsabato;

Ny amin’ny fitoriana hanafoanana ny vato azon’ny kandidà Andry Nirina Rajoelina noho ny fandikana  fepetra voalazan’ny lalàna 

  1. Satria ny 19 novambra 2018, Atoa Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana, izay manana an’i Maîtres Andry Fiankinana Andrianasolo, Tantely Ramaroson Andriamanalina, Lalasoa Raharison Randrianjafy ary Tojo Maminiaina Andriambololona ho mpiaro ny tombontsoany, dia nametraka fitoriana, ho fanoherana sy fanafoanana ny vato azon’ny kandidà laharana faha 13 Andry Nirina Rajoelina nandritra ny fifidianana Filohan’ny Repoblika natao ny 7 novambra 2018;
  1. Satria ny mpitory dia nangatana ny hanafoanana ny vato azon’ny kandidà Andry Nirina Rajoelina manerana ny tanim-pirenena sy tamin’ireo renivohi-paritany, renivohi-paritra, renivohitry ny distrika, noho ny fandikana ny fepetra voalazan’ny lalàna noho ny antony samihafa; ary asongadiny manokana ny fitsidiham-paritra miendrika fampahafantarana ny programa IEM sy fizarana tee-shirt mialohan’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra ara-dalàna; koa satria ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra dia tsy voafehin’ny lalàna, tsy mitombina izany ny tohan-kevitra mahakasika ny fandikana ny fepetra voalazan’ny didy aman-dalàna;
  1. Satria ny mpitory dia milaza fa ny fampiasa “marqueur” na “stylo feutre” fa tsy stylo tsotra, dia fampirisihana hanao hosoka sy hanova ny hevitry ny latsabato amin’ny fampiasana “marqueur” azo fafàna; ary lazainy koa ankoatra izany, fa ny fampiasana fitomboka “X” fa tsy fanaovana marika amin’ny stylo, dia fomba fifampahafantarana izay raràn’ny lalàna ary  mandika ny fenitra milaza fa ny latsabato dia ataon’ny isambatan’olona;
  1. Satria anefa ny fitanana an-tsoratra natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato sady nanaovan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fandinihana mandeha tsy voizina, dia tsy manasongadina fisianà marika fampahafantarana nataonà mpifidy tamin’ny bileta; ka taorian’ny fandinihan’ny Fitsarana etoana ny biletà, dia tsapa fa ireo fomba isan-karazany fanehoana ny safidin’ny mpifidy dia tsy nampiseho fa nisy ny marika fampahafantarana miverimberina; ary ny fampiasana ny fitomboka “X” dia fanentanana avy amin’ny Fitsarana etoana, taorian’ny fifidianana loholona farany teo, mba hitovian’ny fomba anehoana ny safidy; noho izany, ny fanakianana nentin’ny mpitory dia tsy manimba ny tsiambaratelon’ny latsabato; koa tsy mitombina izany ny tohan-kevitra nolazaina;
  1. Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 152 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008: “Ny vata fandatsaham-bato dia mangarahara, mitovy manerana an’i Madagasikara, ary tsy tokony hisy afa-tsy irika iray ihany voatokana hampidirana ny taratasin-datsabato tokana alatsaky ny mpifidy tsirairay avy ny vata fandatsaham-bato. Tsy maintsy atao talaky maso amin’ny olona rehetra. Alohan’ny hanombohan’ny latsabato sy rehefa avy niara-nanatrika ny fahamarinana fa foana tsy misy na inona na inona, ny vata fandatsaham-bato dia tsy maintsy hidin’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato. Na izany aza anefa, dia azo eritreretina ny fampiasana karazana vata fandatsaham-bato hafa manome antoka ambony indrindra amin’ny filaminana”;
  1. Satria ny filazana tsy misy porofo fa nisy vata tsy mangarahara miisa 4.000 eo ho eo manerana ny tanim-pirenena sy fisian’ny fitanana an-tsoratra mahakasika ny fahitana vata fandatsaham-bato tsy mangarahara miisa 29 na maizina ary kosa sary, dia tsy azo lazaina ho tsy fetezan-javatra satria ny andàlana farany amin’ny andininy faha 152 voalaza etsy aloha dia manome alàlana ny fampiasana vata fandatsaham-bato karazany hafa ary raha toa ka natao ny fombafomba hizahana fa foana ireo vata ireo sady mihidy, dia foana ny ahiahy amin’ny mety hisian’ny hosoka; ary ankoatra izay, tsy misy fitanana an-tsoratra manambara fanodinkodinana ny ao anatin’ny vata fandatsaham-bato nandritra ny andron’ny fifidianana; noho izany, tsy mitombina ny anton-javatra lazaina; 

Ny amin’ny fitoriana nataon’ny kandida laharana faha 14 Eliana Bezaza

  1. Satria Atoa Abdallah, solontenan’ny kandida laharana faha 14 Eliana Bezaza, dia mangataka ny hanafoanana ny vato azon’ny kandida laharana faha 13 Andry Nirina Rajoelina tao amin’ny fari-pifidianan’i Mahajanga I, noho ny Ben’ny tanànan’io kaomina io, dia Atoa Mokhtar Salim izany, nanao fampielezan-kevitra ho an’ny kandida laharana faha 13 ka izany dia mandika izay voalazan’ny andininy faha 60, 62, 63 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka;
  1. Satria ny voalazan’ny andininy faha 60 sy 62 dia mikasika ny mpiasam-panjakana sivily na miaramila sy izay olona tsy mpiasam-panjakana misahana asa ambony na asam-panjakana ambaratonga ambony, mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida iray; ka ny Ben’ny tanàna, amin’ny maha olomboafidy azy, dia tsy voakasiky ny andininy faha 60 sy 62 ka afaka mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ho an’izay kandida tiany; amin’ny ankapobeny, ny fanohanan’ny olomboafidy eo an-toerana kandida iray, dia ara-dalàna ary tsy faneriterena ho entina hanova ny vokatry ny latsabato izany;
  1. Satria ny andininy faha 63 amin’io lalàna fehizoro io dia milaza fa “Rarana ny fampiasana ny loharanom-bolam-panjakana, indrindra ny fidirana amin’ny fitaovam-panjakana toy ny fiara sy ny tranom-panjakana, mikendry ny fampiroboroboana ny asa aman-draharaha momba ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka, raha tsy izany dia iharan’ny sazy voalazan’ny andininy faha 220 amin’ity lalàna fehizoro ity”; ny mpitory dia nampiaraka tamin’ny fitoriana nataony, sary maneho ny fampiasan’io Ben’ny tanàna io ny fiaran’ny kaomina, hanaovana fampielezan-kevitra ho an’ny kandida laharana faha 13;
  1. Satria ny andininy faha 204 amin’io lalàna fehizoro io dia milaza fa “[…]Tsy maintsy ampiarahana amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra hanaporofoana ny antimony amaharana. Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety mahaleotena na iombonana […]ireo singany-taratasy ireo dia afaka tohanana amin’ny fomba rehetra na akalana izay heverin’ny mpitory fa ilaina”; ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia masi-mandidy amin’ny lanjan’ny porofo aseho; ka ny sary narotsaky ny solotena ao amin’ny antontan-taratasin’ady dia tsy afahan’ny Fitsarana etoana mandanjalanja mazava ny zava-misy; ankoatra izany, araka ny didim-pitsarana noraisin’ny Fitsarana etoana hatrizay, ny sary dia tsy mety enti-mandanjalanja; ka araka ny didim-pitsarana laharana faha 02-HCC/AR tamin’ny 22 janoary 2016, nanambarana ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona natao ny 29 desambra 2015, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nilaza fa “ny kapila manjelatra sy ny sary dia tsy porofo maha resy lahatra sy ara-dalàna hampitombina ny fitoriana”; koa, noho ireo voalaza etsy aloha ireo, dia tsy maintsy lavina ny fitoriana fa tsy mitombina;

Ny amin’ny fitoriana noho ny fandikàna ny fepetran-dalàna nandritra ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

  1. Satria ny fikambanana SAHALA dia nametraka fitoriana tao amin’ny firaketantsoratry ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana tamin’ny 20 novambra 2018; ary ny mpitory dia manasongadina ny tsy fanajana ny fepetran-dalàna mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika; ka ny fitoriana dia taratasy tsotra fotsiny sady tsy manaraka ny fepetra ahazoana mandray ny fitoriana takian’ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008; noho izany, tsy azo raisina ny fitoriana;

Ny amin’ny fanatsoahana ny fitoriana rehetra nataon’ny kandida RAVALOMANANA Marc

  1. Satria arak any taratasy tamin’ny 21 novambra 2018 nataon’I Me Raobena R.Andrianjakarivony, mpisolovava ao amin’ny olafitry ny mpisolovava eto Madagasikara, ny candida Marc RAVALOMANANA dia nampahafantatra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa tsoahana avokoa ireo fitoriana nataony amin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 7 novambra 2018; koa noraiketin’ny Fitsarana etoana an-tsoratra izany fanatsoahana izany;

Ny amin’ny fanamarinana ny vato

  1. Satria ny Fitsarana etoana, nandritra ny fikirakirana ny antontan-taratasim-pifidianana sy ny fandinihana ny fitoriana, dia nanamarina ny vato azon’ny kandida tsirairay, isaky ny birao fandatsaham-bato, araka ny fitanana an-tsoratra sy ny taratasy fanisana vato tonga teo aminy, na avy any amin’ny Sampana mpanisa vato;
  1. Satria ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 tamin’ny 11 mey 2018, mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika dia milaza fa “Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana irery ihany no manampahefana afaka manafoana tanteraka na amin’ny ampahany ny voka-pifidianana noho ny antony tsy fanarahana ny fombafomba fototra. Mandritra ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratry ny biraom-pifidianana sy ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, dia afaka mampaka-draharaha avy hatrany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fitarainana aza, raha toa ka heveriny fa misy fandikana ny fepetran-dalàna na didy amam-pitsipika, na antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka […]”;
  1. Ka io fanamarinana ny vato io dia ahafahan’ny Fitsarana etoana manitsy ny fahadisoana tsy nahy hitany tamin’ny antontan-taratasim-pifidianana (fitanana an-tsoratra, taratasy fanisana vato) izay nampitaina taminy nandritra ny fanadihadiana nataony; ka io fomba io koa dia ahazoan’ny Fitsarana etoana mamaly ny fangatahana nataon’ny mpitory sasantsasany; noho izany, ny antonantony nolazaina, mikendry ny hanisana indray ny vato nataona kandida sasantsasany, dia efa voavahan’io fomba notanterahana io;

Ny amin’ny fitoriana mikasika birao fandatsaham-bato roa ao amin’ny kaomina ambanivohitra Tsaraotana

  1. Satria Atoa Lalao Aimé Andrianjaka, solotena KMMR, dia nametraka fitoriana roa tany amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI, ny iray mangataka fanokafana fanadihadiana mikasika birao fandatsaham-bato iray ao amin’ny fokontanin’I Mialiloha ary ny faharoa, milaza fa tsy marina ny fanisana vato ary ahiana ny fisianà hosoka tao amin’ny birao fandatsaham-bato ao amin’ny fokontanin’i Tanambao Ambato, ka ireo birao fandatsaham-bato roa ireo dia samy ao anatin’ny kaomina ambanivohitra Tsaraotana, distrikan’i Belo Amoron’i Tsiribihina avokoa;
  1. Satria ireo fitoriana ireo dia nahafeno ny fepetra voalazan’ny didy aman-dalàna, anisan’izany ny fe-potoana fametrahana fitoriana, ka azo raisina; ary ny fanamarinana nataon’ny Fitsarana etoana dia nahitàna fa mitombina amin’ny ampahany izy ireo; koa mba hamerenana ny fahamarinan’ny latsabato, ny Fitsarana etoana dia namerina nanisa manontolo ny vato tamin’ireo birao fandatsaham-bato ireo;

Ny amin’ny fanamarinana ny biletà fotsy sy tsy manan-kery

  1. Satria ny andininy faha 65 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-009 dia milaza fa “Mandritra ny fanaraha-maso ny fitanana an-tsoratry ny biraom-pifidianana sy ny sampana miandraikitra ny fanisam-bato, dia afaka mampaka-draharaha avy hatrany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, na tsy misy fitarainana aza, raha toa ka heveriny fa misy fandikana ny fepetran-dalàna na didy amam-pitsipika, na antony hafa mahakasika ny filaminam-bahoaka”; koa araka izany, ny Fitsarana etoana dia nanamarina , namerina nanisa ary nampanan-kery indray ireo biletà voalaza amin’ny tsy rariny fa hoe fotsy sy tsy manan-kery taminà biraom-pifidianana miisa 133 tao amin’ny distrikan’Ambatolampy, Betafo, Tsiroanomandidy, Ambanja, Vohémar, Nosy Be, Lalangina, Ikongo, Ambositra, Vangaindrano, Mahajanga II, Tsaratanàna, Mitsinjo, Port Bergé, Marovoay, Ambato Boeny, Soalala, Toamasina II, Brickaville, Soanierana Ivongo, Vatomandry, Vavatenina, Betioky, Ampanihy Ouest, Beroroha, Sakaraha ary Taolanaro; ka izany fanitsiana izany dia nampanan-kery vato miisa 4.379;

Ny amin’ny fitanana an-tsoratra momba ny tsy fahatomombanana 

  1. Satria ny lisitry ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana mpanisa vato voaray teto amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia nahita fitanana an-tsoratra miisa enina momba tsy fahatomombanana; koa tsy azo natao ny nampanan-kery ny vokatra tamin’ireto birao fandatsaham-bato ireto: Bemonto, Fokontany Bemonto-Ambalakida, kaomina Andramamy, Distrika Morafenobe ;birao Fokontany Tsararano, Fokontany Tsararano, kaomina Komajia, Distrika Mampikony ; Gite d’étape Ampoahantsatroka, Fokontany Ampoahantsatroka, kaomina Antakotako, Distrika Maroantsetra ; EPP Tsimikaboke, Fokontany Tsimikaboke, Fokontany Maroalipoty, Distrika Ambovombe Androy ; EPP Andranovaho, Fokontany Andranovaho, kaomina Ampanihy Centre, Distrika Ampanihy Ouest ; birao Fokontany Ambondrompaly, Fokontany Ambondrompaly, kaomina Belamoty, Distrika Betioky Sud ;
  1. Satria, taorian’ny fanamarinana ny antontan-taratasim-pifidianana tonga taty amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, noho ny tsy fisian’ny fitanana an-tsoratra momba ny tsy fahatomombanana, fitanana an-tsoratra ary taratasy fanisana vato, dia tsy azo natao ny nampanan-kery ny vokatra tamin’ireto birao fandatsaham-bato ireto : birao Fokontany Kirano Salle 2, Fokontany Kirano, kaomina Solila, Distrika Ikalamavony ; EPP Vohimena Mahafaly, kaomina Ilaka-Be, Distrika Ihosy ; EPP Vombao, Fokontany Ankady, kaomina Ankazomanga Ouest, Distrika Betioky Sud ; EPP Bevoay, Fokontany Besavoa Bevoay Fenoarivo Beroy Manera Mahasoa, kaomina Betioky Sud, Distrika Betioky Sud ; EPP Tsagniria, birao Fokontany Satrapotry, kaomina Satrapotry, Distrika Tongobory ;

Ny amin’ny voka-pifidianana amin’ny ankapobeny

  1. Satria araka ny andininy faha 47 andàlana faha 3 amin’ny Lalàmpanorenana, “Voafidy ho Filohan’ny Repoblika avy hatrany izay mahazo ny antsasamanilan’ny vato manan-kery amin’ny fihodinana voalohany. Raha tsy tratra izany, izay mahazo ny ampahany be indrindra amin’ny vato manan-kery no lany ho Filohan’ny Repoblika amin’ny fihodinana faharoa amin’ireo mpilatsa-kofidiana roa nahazo vato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohany”;
  1. Satria tsy nisy kandida nahazo ny antsasamanilan’ny vato manan-kery tamin’ny latsabato fihodinana voalohany; koa hisy ny fihodinana faharoa ho an’ireo kandida roa nahazo ny ampaham-bato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohany;

Noho ireo antony ireo

ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

dia mamoaka izao didy izao :

Andininy voalohany.-  Tsy azo raisina ireo fitoriana nataon’ny 1-Collectif des candidats, 2-Atoa Andriantseheno Marcellin, Atoa Imbeh Serge Jovial, Atoa Rasolofonjoa Haingo, Atoa Tabera Randriamanantsoa, Rtoa Bezaza Marie Eliana, Atoa Ratsietison Jean Jacques, Rtoa Ramaroson Arlette, Atoa Rakotomamonjy Jean Max, Atoa André Mailhol, Atoa Rasolofonjatovo Falimampionona, Atoa Randriamampionona Joseph Martin, Atoa Rajaonarimampianina R. Hery Martial ary Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier, 3-Atoa Solonandrasana Olivier Jocelyn Mahafaly, 4-Atoa Andry Nirina Rajoelina.

Andininy faha 2.-Ny fitoriana noho ny fandikana ny fepetran-dalàna nandritra ny fanomanana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, nataon’ny fikambanana SAHALA, dia tsy azo raisina eo amin’ny fombafomba tokony arahana. 

Andininy faha 3.- Ny fitoriana ho fanafoanana ny latsabato manontolo, nataon’Atoa Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana, dia azo raisina nefa tsy mitombina. 

Andininy faha 4.- Ny fitoriana ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga nataon’ny kandida Eliana Bezaza, dia azo raisina nefa  tsy mitombina. 

Andininy faha 5.- Ny fitoriana nataon’Atoa Hery Martial Rajaonarimampianina tamin’ny 17 novambra 2018, dia azo raisina nefa tsy mitombina.

Andininy faha 6.- Ny fitoriana ho fanafoanana ny vato azon’ny kandida Andry Nirina Rajoelina, noho ny fandikana ny fepetran-dalàna, dia azo raisina nefa tsy mitombina.

Andininy faha 7.- Noraiketin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana an-tsoratra ny fanatsoahan’ny kandida RAVALOMANANA Marc ny fitoriana nataony ka nofoanana ny fitoriana rehetra natao tamin’ny anarany.

Andininy faha 8.- Ny tohan-kevitra mikendry ny famerenana ny fanisana vato nentin’ny kandida sasantsasany dia voavaha tamin’ny alàlan’ny fanamarinana ny vato azon’ny kandida tsirairay, isaky ny birao fandatsaham-bato, araka ny fitanana an-tsoratra sy ny taratasy fanisana vato.

Andininy faha 9.- Ny Fitsarana etoana dia namerina ny fanisana ny vato rehetra tao amin’ireo birao fandatsaham-bato roa nanaovana fitoriana, tao amin’ny kaominin’i Tsaraotana.

Andininy faha 10.- Ny Fitsarana etoana dia nanamarina, namerina nanisa ary nampanan-kery ireo biletà voalaza tamin’ny tsy rariny fa hoe fotsy sy tsy manan-kery taminà birao fandatsaham-bato miisa 133 aminà distrika samihafa.

Andininy faha 11.- Noho ny tsy fahatomombanana miharihary, dia tsy azo natao ny nampanan-kery ny vokatra tamin’ireo birao fandatsaham-bato voalaza ao amin’ny Andàlana faha 44 sy 45.

Andininy faha 12.- Ambara araka izao manaraka izao ny vokatry ny latsabato fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika:

VOKAM-PIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA FIHODINANA VOALOHANY  7 NOVAMBRA 2018

MPIFIDY VOASORATRA ANARANA: 9 949 083

MPIFIDY TONGA NANDATSA-BATO: 5 367 550

VATO FOTSY SY VATO MATY: 386 946

VATO MANANKERY: 4 980 604

TAHAN’NY FANDRAISANA ANJARA: 53,95%

1 RASOLOFONJOA Haingo Andriakajamalala 47 932 0,96%
2 RAKOTOFIRINGA Richard Razafy 26 534 0,53%
3 TABERA Randriamanantsoa 48 705 0,98%
4 RASOLOFONDRAOSOLO Zafimahaleo dit DAMA Mahaleo 16 367 0,33%
5 JULES ETIENNE Rolland 10 756 0,22%
6 RATSIETISON Jean‐Jacques Jedidia 15 281 0,31%
7 ANDRIANTSEHENO Lalaoarisoa Marcellin 28 252 0,57%
8 RABARY Andrianiaina Paul 48 980 0,98%
9 RABEHARISOA Saraha 23 685 0,48%
10 RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin 25 420 0,51%
11 RAFALIMANANA Ny Rado 57 476 1,15%
12 RAJAONARIMAMPIANINA RAKOTOARIMANANA Hery Ma 439 070 8,82%
13 RAJOELINA Andry Nirina 1 954 023 39,23%
14 BEZAZA Marie Eliana Pascaline Manasy 40 882 0,82%
15 ANDRIANOELISON José Michel 26 572 0,53%
16 NARISON Stephan 5 675 0,11%
17 RAJAONARY Erick Francis 14 758 0,30%
18 RAMAROSON Arlette 12 645 0,25%
19 BERIZIKY Jean Omer 15 352 0,31%
20 RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin 57 903 1,16%
21 RATSIRAKA Didier Ignace 22 222 0,45%
22 MAHAFALY Solonandrasana Olivier Jocelyn 23 437 0,47%
23 RADILOFE Mamy Richard 42 748 0,86%
24 ERNAIVO Fanirisoa 14 117 0,28%
25 RAVALOMANANA Marc 1 760 837 35,35%
26 IMBEH Serge Jovial 18 962 0,38%
27 RAVELONARIVO Jean 29 224 0,59%
28 RANDRIAMORASATA Solo Norbert 5 086 0,10%
29 ZAFIVAO Jean Louis 6 162 0,12%
30 RASOLONJATOVO Falimampionona 12 276 0,25%
31 RAKOTOMAMONJY Jean Max 11 377 0,23%
32 RABARIHOELA Bruno 9 981 0,20%
33 RATSIRAKA Iarovana Roland 21 377 0,43%
34 MAILHOL André Christian Dieu Donné 63 391 1,27%
35 ROBIMANANA Rivomanantsoa Orlando 14 561 0,29%
36 RASOLOVOAHANGY Roseline Emma 8 578 0,17%
Fitambaran’ny vato 4 980 604 100 %

Andininy faha 13.- Ireo kandida roa ekena hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika dia : Atoa Andry Nirina RAJOELINA sy Atoa RAVALOMANANA Marc.

Andininy faha 14.- Didin’ny Fitsarana etoana ny famerenana ny antobola dimampolo tapitrisa ariary amin’ny kandida Andry Nirina RAJOELINA sy RAVALOMANANA Marc.

Andininy faha 15.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ny Filohan’ny Repoblika mpisolotoerana, ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolotoerana, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao petadrindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana etoana.

Nifampidinihana araka izany tao amin’ny foiben-toerany mba hambara amin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, ny alarobia valo amby roapolo novambra taona valo ambin’ny folo sy roa arivo, tamin’ny folo ora misandratrandro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Andriamatoa RAKOTOARISOA Jean-Eric, Filoha

  • Ramatoa ANDRIANARISOA RAVELOARISOA Fara Alice, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
  • TSABOTO Jacques Adolphe, Mpanolotsaina Avo
  • Andriamatoa TIANDRAZANA Jaobe Hilton,  Mpanolotsaina Avo
  • Ramatoa RAMIANDRASOA Véronique Jocelyne Danielle, Mpanolotsaina Avo
  • Andriamatoa DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène, Mpanolotsaina Avo
  • Ramatoa RANDRIAMORASATA Maminirina Sahondra,  Mpanolotsaina Avo
  • Andriamatoa ZAFIMIHARY Marcellin, Mpanolotsaina Avo
  • Ramatoa RABETOKOTANY Tahina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketantsoratra