NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena nofenoina sy nasiampanitsiana tamin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2019-002 tamin’ny 14 febroary 2019;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-243 tamin’ny 13 febroary 2024 manaika ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-244 tamin’ny 13 febroary 2024 mametra ny habetsahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny saram-panotàna ny bileta amin’ny fifidianana solombavambahoaka ary ny fombafomba fanonerana sy famerenam-bola;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-582 tamin’ny 13 martsa 2024 mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana ny toerana manerana ny tanim-pirenena ary ny famaritana ny fari-pifidianana amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-644 tamin’ny 14 martsa 2024 mamaritra ny modelin’ny singan-taratasy sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-645 tamin’ny 14 martsa 2024 mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana solombavambahoaka;

Araka ireto singan-taratasy ireto :

  • Ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Fanapahan-kevitra laharana 022/CENI/D/2024 tamin’ny 28 martsa 2024, nasiana fanovàna araka ny fanapahana laharana faha 057/CENI/D/2024 tamin’ny 20 aprily 2024 sy araka ny fanapahana laharana faha 63/CENI/D/2024 tamin’ny 27 mey 2024, mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 56-CENI/D/2024 tamin’ny 16 aprily 2024 amaranana sy anambaràna ny lisitra raikitry ny filatsahan-kofidina isaky ny fari-pifidianana ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 71-CENI/D/2024 tamin’ny 11 jona 2024 amoahana ny vokatra vonjimaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;

 

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

1.Satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, nanomboka ny 30 mey 2024 hatramin’ny 13 jona 2024, dia naharay fitoriana miisa 534 tsy manaja fepetra voalazan’ny lalàna sy tsy manana endri-pifandirana

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

2.Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny voalazan’ny andininy faha 200 andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 : « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ; ary ny andalana voalohany amin’ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia milaza fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato”; koa araka izany dia mitombina  ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

3.Satria ny andininy faha 50 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia manambara ao amin’ny andalana voalohany fa “Ny fizotry ny paika arahina eo anatrehin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ho an’izay rehetra fandavana mikasika ny fifidianana ny Solombavambahoaka dia atao araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 202 hatramin’ny faha 207 amin’ny lalàna fehizoro mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ankoatra ny fe-potoana fitarainana sy ny fe-potoana fanaovana ny lahateny ho fiarovan-tena”; ny fe-potoan’ny fampakaran-draharaha momba ny fitsarana mahefa ho an’ny fifanolanan’ny vokatra dia voafetra ho roa andro ao aorian’ny vokatra vonjimaika avy amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana;  ary araka ny andininy faha 202 andalana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008: “Ny fitakiana ny maha-ara-dalàna ny raharaham-pifidianana dia misokatra ny ampitson’ny andro anaovana ny latsabato hatramin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana”;

4.Satria ho fampiharana io andininy io, ny lalàna dia manery ny fitsarana misahana ny fifidianana handinika aloha raha azo raisina ireo fitoriana ary mamakafaka raha anisan’ireo fahefana nomen’ny lalàna ny Fitsarana ny anton’ilay fifanolanana entina eo anatrehany ary izay vao mandinika raha misy famaharana ilay fitoriana; ka noho izany, ireo antony anisan’ny nandàvana ny fitoriana dia ny tsy fanajana ny fe-potoana voafaritra hametrahana izany fitoriana izany eto anatrehan’ny Fitsarana, ny tsy fanajana ireo fepetra eken’ny lalàna maha-mpitory ary ny tsy fanajana ny fenitry ny fitoriana sy ny fahefan’ny Fitsarana etoana voafaritry ny lalàna;

  1. Satria ireo fitoriana natao hanoherana ny fizotran’ny fifidianana dia voafaritra fa apetraka eo anivon’ny firaiketan-draharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana farafahatarany ny andro ivoahan’ny vokatra vonjimaika izany hoe ny faha 11 jona 2024; ka ireo fitoriana momba ny fanoherana ny vokatra vonjimaika kosa dia azo apetraka amin’ireo sampan-draharaha voafaritra ny andininy faha 203 ny lalàna fehizoro 2018-008 ao anatin’ny 48 ora mitomboka ny faha 11 jona 2024 ary fara fahatarany ny 13 jona 2024; ka ireo fitoriana voaray tao aorian’izany fepotoana izany dia ambara fa dila paik’andro ka tsy azo raisina;
  1. Satria ny fahefana mitsara voafaritra ny lalàna nomena ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia mahasahana ny fanoherana ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotran’ny latsabato ary ny fanoherana ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana; ka noho izany, ireo fitoriana tsy mahakasika ireo fepetra ireo ary tsy maneho endri-pifandirana dia tsy azo raisina;
  1. Satria araka ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka :” Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana am-boky, mba tsy hahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy:

-ny anaran’ny mpitory;

-ny fonenany;

-ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny didim-pitsarana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra, araka ny fisehoan-javatra;

-ny fanondroana, araka ny fisehoan-javatra, ny safidy na ny anarana sy ny fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, izay toherina ny fifidianana azy;

-ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany;

Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety ho mahaleotena na iombonana.

Ny fanambarana mahaleotena dia soniavin’ny vavolombelona tsirairay. Ny fanambarana iombonana dia soniavin’ny vavolombelona   roa (2) na maromaro  manatrika miaraka amin’ny filazana ny anaran’izy ireo.

Ireo singan-taratasy ireo dia afaka tohanana amin’ny fomba rehetra na ankalana izay heverin’ny mpitory fa ilaina.

Masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (…)”;

8.Satria ny lalàna dia mamaritra mazava ireo fepetra tsy maintsy hajaina rehefa manao fitoriana mba tsy hahafoana azy ; ka ireo fitoriana rehetra voaray nandritra ny fifidianana solombavambahoaka ny faha 29 mey 2024 lasa teo izay tsy nisy adiresy mazavan’ny mpitory, izay tsy nisy ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany na ireo izay tsy nisy antom-pamaharana dia tsy noraisina avokoa;

9.Satria ny andalana voalohany,faharoa sy fahatelo amin’ny andininy faha 202 ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 dia milaza mazava: “izay rehetra mpifidy voasoratra ara-dalàna tao amin’ny lisi-pifidianana ary nandray anjara tamin’ny latsabato dia manana zo hampakatra fitsarana eo anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (…), ny fitarainana sy fitsipahana rehetra mikasika ny maha-ara- dalàna ny fizotry ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana tao amin’ny fari-piadidiam- pifidianana nisoratany, na mikasika ny maha-ara-dalàna ny raharahan-datsabato nisoratany anarana.

Manana zo mitovy amin’izany koa ny mpilatsa-kofidiana tsirairay, ny lisitry ny mpilatsa-kofidiana tsirairay, ny mpisolotenan’ny vondrona ho tombotsoan’ny safidy, na ireo delege ao amin’ny faripiadidiana manontolo na ny ampahany voakasiky ny filatsahany hofidiana. Azony toherina ihany koa ireo voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham- bato nisy azy na ampangaina fa nisy tsy fanajana ireo fepetra takiana ary filazana tokony hatao voadidin’ny lalàna, ary izany dia araka ny fombafomba voalazan’ity fizarana ity.

Izay rehetra mpanara-maso eto amin’ny firenena dia mizaka ihany koa io zo fitakiana, fitsipahana sy fiampangana ananan’ireo mpifidy sy ireo mpilatsa-kofidiana na solontenan’ny mpilatsa-kofidiana, araka izay voalazan’ireo ao amin’ny andalana voalohany sy faharoa amin’ity andalana ity ary izany dia manerana ny birao fandatsaham-bato rehetra izay nazahoany fahefana hanaovany ny asany ; »

  1. Satria noho izany ireo fitoriana mahakasika ny fampielezan-kevitra sy ny tsy fahatomombanana tamin’ny latsabato nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024 lasa teo dia tsy azo raisina raha tsy avy amin’ny:
  • mpifidy voasoratra ao anaty lisi-pifidianan’ilay birao fandatsaham-bato kianina ary nandray anjara tamin’ny fifidianana;
  • mpilatsaka hofidiana ao amin’ny distrika nisy ny tsy fanarahan-dalàna toherina ary nandray anjara tamin’ny fifidianana ihany koa;
  • ny mpiloso tena na delege manana fanomezan-dàlana mazava ary voamarina no sady miaraka amin’ny karapifidianan’ilay mpilatsaka hofidiana solony tena;
  • ireo mpanaramaso fifidianana nahazo alalana manokana avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ary manana alalana hanaramaso amin’ilay faripifidianana nisy tsy fanarahan-dalàna.
  1. Satria araka ireo andinin-dalàna voalaza etsy ambony, ny fanoherana ny voka-pifidianana na ny latsabato any amin’ireo birao fandatsaham-bato amin’ireo fari-pifidianana voakasiky ny fitoriana dia tsy azo raisina afa-tsy avy amin’ireo mpilatsaka hofidiana na fivondronana mpilatsaka hofidiana tao amin’ilay fari-pifidianana ; ary ireo mpisolo tena ny kandidà na ireo delege na ny mpanaramaso fifidianana nomen’ny lalàna alalana hanao fanoherana ny voka-pifidianana eto anatrehan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ireo izay mahakasika ny fari-pifidianana nahazoany alalana irery ihany  ; ka noho izany, ireo fitoriana rehetra tsy tafiditra amin’ireo voalaza eo ambony dia tsy azo raisina avokoa ;

NOHO IREO ANTONY IREO
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA
DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO

Andininy voalohany.– Ambara fa tsy azo raisina ny fitoriana noho ny tsy fisian’ny karapifidianana, tsy fisian’ny adiresin’ny mpitory ary ny tsy fandraisana anjara tamin’ny latsa-bato izay voatanisa ao amin’ny tovana tsy manaja ny fepetra voalazan’ny lalàna

Andininy faha 2.- Ambara fa tsy azo raisina ny fitoriana tsy manana endri-pifandirana izay hita ao amin’ny tovana.

Andininy faha 3.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ireo mpanao fitoriana, havoaka amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ao amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao peta-drindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Nifampidinihina araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, natao teto Antananarivo ny alakamisy fito amby roapolo jona taona efatra amby roapolo sy roa arivo tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy ny nandrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.