NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena nofenoina sy nasiampanitsiana tamin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2019-002 tamin’ny 14 febroary 2019;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-243 tamin’ny 13 febroary 2024 anaikana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-244 tamin’ny 13 febroary 2024 mametra ny habetsahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny sara fanotàna ny bileta amin’ny fifidianana solombavambahaoaka ary ny fombafomba fanonerana sy famerenam-bola
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-582 tamin’ny 13 martsa 2024 mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana ny toerana manerana ny tanim-pirenena ary ny famaritana ny fari-pifidianana amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-644 tamin’ny 14 martsa 2024 mamaritra ny modelin’ny singan-taratasy sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-645 tamin’ny 14 martsa 2024 mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana solombavambahoaka;

Araka ireto singan-taratasy ireto :

  • Ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Fanapahan-kevitra laharana 022/CENI/D/2024 tamin’ny 28 martsa 2024, nasiana fanovàna araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 057/CENI/D/2024 tamin’ny 20 aprily 2024 sy araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 63/CENI/D/2024 tamin’ny 27 mey 2024, mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 56-CENI/D/2024 tamin’ny 16 aprily 2024 amaranana sy anambaràna ny lisitra raikitry ny filatsahan-kofidina isaky ny fari-pifidianana ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 71-CENI/D/2024 tamin’ny 11 jona 2024 amoahana ny vokatra vonjimaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna; 

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

1.Satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, nanomboka ny 30 mey 2024 hatramin’ny 13 jona 2024, dia naharay fitoriana miisa 905 izay voatanisa ao anatin’ny tovana tsy fampiana na tsy fisian’ny porofo;

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

2.Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny voalazan’ny andininy faha 200 andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 : « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ; ary ny andalana voalohany amin’ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia milaza fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato.”; koa araka izany,  mitombina  ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

3.Satria ny andininy faha 50 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia manambara ao amin’ny andalana voalohany fa “Ny fizotry ny paika arahina eo anatrehin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ho an’izay rehetra fandavana mikasika ny fifidianana ny Solombavambahoaka dia atao araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 202 hatramin’ny faha 207 amin’ny lalàna fehizoro mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ankoatra ny fe-potoana fitarainana sy ny fe-potoana fanaovana ny lahateny ho fiarovan-tena.”; ary araka ny andininy faha 202 andalana faha 4 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008: “Ny fitakiana ny maha-ara-dalàna ny raharaham-pifidianana dia misokatra ny ampitson’ny andro anaovana ny latsabato hatramin’ny famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana.”; ary araka ny andininy faha 204 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 mikasika ny fitsipika ankapobe mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka :” Ny fitoriana izay atao sosona roa tsy ampandoavina hajia sy saram-piraketana am-boky, mba tsy hahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy:

-ny anaran’ny mpitory;

-ny fonenany;

-ny kopia voamarina ara-dalànan’ny kara-pifidianany nomena maimaimpoana na ny didim-pitsarana nomen’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na ny rantsa-mangaikany eo anivon’ny faritra, araka ny fisehoan-javatra;

-ny fanondroana, araka ny fisehoan-javatra, ny safidy na ny anarana sy ny fanampin’anaran’ilay na ireo olom-boafidy, izay toherina ny fifidianana azy.

-ny antony amaharana sy tohan-kevitra ho fanafoanana izany;

Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fitoriana ireo singan-taratasy novokarina rehetra anaporofoana ny antony amaharana.

Ireo taratasy ireo dia mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana, na fijoroana vavolombelona miendrika an-tsoratra, izany dia mety ho mahaleotena na iombonana.

Ny fanambarana mahaleotena dia soniavin’ny vavolombelona tsirairay. Ny fanambarana iombonana dia soniavin’ny vavolombelona   roa (2) na maromaro  manatrika miaraka amin’ny filazana ny anaran’izy ireo.

Ireo singan-taratasy ireo dia afaka tohanana amin’ny fomba rehetra na akalana izay heverin’ny mpitory fa ilaina.

Masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ireo singan-taratasy novokarina ho porofo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana” ;

4.Satria ho fampiharana io andininy io dia anjaran’ny mpanao fitoriana ny mitondra porofon’izay zavatra lazainy ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no masi-mandidy amin’ny fandanjalanjana ny herin’ny taratasy entina ho porofo ; ary amin’ny lalàna mikasika fifidianana, amin’ny ankapobeny dia tombanana ho ara-dalàna ny latsabato mandrapisian’ny porofo mifanohitra amin’izany ary tsy mampiova izany ny filazana fotsiny antony tokony hanafoanana azy ; koa raha toa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tsy afaka manaporofo ny zavatra lazainy sy manova ho tena zavamisy ny ahiahy mikasika ny fananan-kerin’ny latsabato, dia tsy maintsy laviny ny fitoriana ; ary ankoatra izay, ny mpanao fitoriana dia tsy maintsy manaporofo fa misy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana ilay fandikan-dalàna ; koa tsy misy azon’ny Fitsarana Avo etoana atao afa-tsy ny mandà satria tsy mitombina ny fitoriana tsy misy porofo na tsy ampy porofo entina manohana ny antony lazaina ; ary lavin’ny Fitsarana Avo etoana ihany koa ny fangatahana misy porofo nefa heveriny fa tsy maharesy lahatra ;

Ka toy izany indrindra ny momba ny fijoroana vavolombelona, na nosoniavin’ny vavolombelona telo aza fara faharatsiny ary namafisin’ny singan-taratasy hafa ao anatin’ny fehezan-taratasin’ady ; toy izany koa ny fitanana an-tsoratra nataon’ny vadintany izay tsy nanatri-maso  ny zavamisy fa nandray antsoratra fotsiny, andro maromaro taty aoriana,  izay nolazaina taminy ; ka ny zavatra lazain’ny mpanao fitoriana ka tsy misy porofo dia tsy ahafahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mandanjalanja raha mitombina izany na tsia ; ka noho izany, ireo fitoriana rehetra tsy nisy porofo, na nisy porofo fa tsy ampy hanamarinana ny fandikan-dalàna nitranga na koa ny porofo tsy maharesy lahatra dia lavina avokoa.

NOHO IREO ANTONY IREO
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA
DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO

Andininy voalohany.– Ambara fa lavina ny fitoriana ao amin’ny tovana  noho ny  tsy fahampiana na tsy fisian’ny porofo, na noho ny porofo tsy maharesy lahatra.

Andininy faha 2.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ireo mpanao fitoriana, havoaka amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ao amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao peta-drindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana

Nifampidinihina araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, natao teto Antananarivo ny alakamisy fito amby roapolo jona taona efatra amby roapolo sy roa arivo tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy ny nandrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.