NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA,

Araka ireto rijan-teny ireto:

  • Ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka ;
  • Ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena nofenoina sy nasiam-panitsiana tamin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2019-002 tamin’ny 14 febroary 2019;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-243 tamin’ny 13 febroary 2024 anaikàna ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-244 tamin’ny 13 febroary 2024 mametra ny habetsahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny sara fanontana ny bileta amin’ny fifidianana solombavambahaoaka ary ny fombafomba fanontana fanonerana sy famerenam-bola;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-582 tamin’ny 13 martsa 2024 mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana ny toerana manerana ny tanim-pirenena ary ny famaritana ny fari-pifidianana amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-644 tamin’ny 14 martsa 2024 mamaritra ny modelin’ny singan-taratasy sasantsasany foronin’ny mpilatsa-kofidina rehetra amin’ny fifidianana solombavambahoaka;
  • Didim-panjakana laharana faha 2024-645 tamin’ny 14 martsa 2024 mametra ny fombafomba fandaminana ny fifidianana solombavambahoaka;

Araka ireto singan-taratasy ireto :

  • Ny fitanana an-tsoratra avy amin’ny Sampana miandraikitra ny fanisam-bato ;
  • Ny voka-pifidianana voasoratra ao amin’ny fitanana an-tsoratra sy taratasy fanisam-bato natao teo anivon’ny birao fandatsaham-bato;
  • Fanapahan-kevitra laharana 022/CENI/D/2024 tamin’ny 28 martsa 2024, nasiana fanovàna araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 057/CENI/D/2024 tamin’ny 20 aprily 2024 sy araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 63/CENI/D/2024 tamin’ny 27 mey 2024, mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 56-CENI/D/2024 tamin’ny 16 aprily 2024 amaranana sy anambaràna ny lisitra raikitry ny filatsahan-kofidina isaky ny fari-pifidianana ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024;
  • Fanapahan-kevitra laharana faha 71-CENI/D/2024 tamin’ny 11 jona 2024 amoahana ny vokatra vonjimaika ny fifidianana solombavambahoaka natao ny faha 29 mey 2024;

Rahefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana, tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;

Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna; 

NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA DIA NANANKINA TAMIN’IRETO MANARAKA IRETO:

1.Satria ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, nanomboka ny 30 mey 2024 hatramin’ny 13 jona 2024, dia naharay fitoriana miisa 30 mahakasika  fandikan-dalàna ara-keloka ;

Ny amin’ny fahefa-mitsaran’ ny Fitsarana etoana

2.Satria araka ny voalazan’ny andininy faha 116.4 amin’ny Lalàmpanorenana, « Ankoatra ny raharaha ampisahanin’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary araka ny fepetra voalazan’ny lalàna fehizoro, dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no […] mitsara ny fifanolanana eo amin’ny fizotry ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona » ; ary araka ny voalazan’ny andininy faha 200 andàlana voalohany, amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 : « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka amin’izay rehetra fangataham-pitsarana ifanolanana momba ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika, ny fifidianana ireo solombavambahoaka sy ireo loholona » ; ary ny andalana voalohany amin’ny andininy faha 48 amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-010 mikasika ny fifidianana Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena dia milaza fa « Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangatahana na fanoherana mikasika ny toe-javatra izay mandrafitra ny fikarakarana ny raharaham-pifidianana sy ireo izay mikasika ny fizotry ny latsabato.”; koa araka izany,  mitombina  ny fahefa-mitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;

3.Satria ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 mikasika ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi- bahoaka  dia nanokana ny lohateny faha VI, izay misy ny andininy faha 216 hatramin’ny faha 239, ho amin’ireo fepetran-dalàna mahakasika ny fifidianana;

Ary ny marimarina kokoa, ny andininy faha 237 amin’io lalàna io dia milaza fa “Na dia eo aza ny sazy nambaran’ny antokom-pitsarana momba ny fifidianana, ny Fampanoavana dia manenjika ny tsy fanarahan-dalàna rehetra mampiseho endrika ady heloka, voalazan’ity Lalàna fehizoro ity.

Ankoatra ny fepetra ao amin’ny andalana voalohany amin’ity andininy ity, ny Fampanoavana dia mampiasa ny fitoriana ampahibemaso ho an’ny fandikan-dalàna hafa rehetra.”;

Koa ho fampiharana io andininy io, ny Tonia Mpampanoa Lalàna mahefa dia afaka mandray an-tànana avy hatrany ny raharaha;

4.Satria ny andininy faha 238 amin’ny lalàna voalaza etsy ambony dia milaza fa “Ny Lehiben’ny antokom-pitsarana momba ny fifidianana, ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana sy izay rehetra manam-pahefana ara-pitondrana dia afaka mitondra ny raharaha eo anatrehan’ny Fampanoavana mahefa mba hanenjika ireo tompon’antoka amin’ny fandikan-dalàna voatanisa ao amin’ity Lalàna fehizoro ity izay fantany ny fisiany.”;

5.Satria, araka izany, tsy anjaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay mitsara ny fifanolanana momba ny fifidianana no mampihatra sazy ara-keloka amin’ny raharaham-pifidianana; ka ireo raharaha ahitana fandikan-dalàna ara-keloka voarain’ny Fitsarana etoana dia entiny eo anatrehan’ny Fampanoavana mifanandrify amin’izany avokoa; 

NOHO IREO ANTONY IREO
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA
DIA MAMOAKA IZAO DIDY IZAO

Andininy voalohany.– Tsy ao anatin’ny fari-pahefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fifanolanana mikasika ny fandikan-dalàna ara-keloka eo amin’ny lafiny fifidianana izay voatanisa ao amin’ny tovana.

Andininy faha 2.- Ny fanaovana fanenjehana amin’ny ady heloka dia anjaran’ny Fampanoavana izay azon’ny mpitsara ny fifidianana itondrana ny raharaha.

Andininy faha 3.- Izao didim-pitsarana izao dia hampahafantarina ireo mpanao fitoriana, havoaka amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ao amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ary hatao peta-drindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Nifampidinihina araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, natao teto Antananarivo ny alakamisy fito amby roapolo jona taona efatra amby roapolo sy roa arivo tamin’ny folo ora maraina, ka ireto avy ny nandrafitra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana:

Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filoha
Andriamatoa NOELSON William, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTOBE ANDRIAMAROJAONA Vololoniriana Christiane, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAKOTONIAINA RAVEROHANITRAMBOLATIANIONY Antonia, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa MBALO Ranaivo Fidèle, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RASOLO Nandrasana Georges Merlin, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RAZANADRAINIARISON RAHELIMANANTSOA Rondro Lucette, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Avo

Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.